,

25 taona ny Radio Haja Antsirabe

Nankalaza ny faha 25 taona nisokafany ny Radio Haja tao Antsirabe ny alahady 31 mars 2024 lasa teo. 

Nofidiana manokana ny  Sal 33, 9 hoe  « Fa Teniny dia vita. Didiny dia tafajoro » mba ho teny manentana. Ka nosantarina tamin’ny Sorona masina nankalazana ny Paka tao amin’ny lasapely évêché ny fotoana. Ary nifampizara sakafom-piombonana teny amin’ny Centre Diantana Ambohimena kosa ny hariva, izay natrehin’ny Eveka Andriantsoavina Jean Pascal. 

Tsiahivina fa ny foibe famokarana feo sy sary ho fampianaram-pinoana teto amin’ny diosezy dia efa nanomboka hatramin’ny 1984. Mompera Ranaivomanana Philippe izay tonga eveka taty aoriana no namaky lay. Niitatra ho ho tonga radio izany fitoriana Vaovao Mahafaly izany hatramin’ny 1996. Ka nindramana ny fanampariaham-peon’ny radio Zarasoa  fampiasan-dry mompera tao Betafo izy mba hampiasaina isaky ny faran’ny herinandro teto Antsirabe. 

Fanirian’ny Eveka Mgr Ramananarivo Félix ho andry telo iankinan’ny Vaovao Mahafaly ny Fahasalamana sy Fanabeazana ary Fifandraisain’ny mpiarabelona. Ka nifanojo tamin’i José Ribeaud izay mpanao gazety Soisy izy ireo. Naneho fahavononany hanampy ity vazaha ity. Vokany, teraka ny Radio Haja. Nahazo ny fitaovana ho azy manokana sy ny fahazoandalana ho azy ka notokanana ny 31 marsa 1999 ity onjam-peon’ny mpianakavy ity. Hatreo dia nanangana ny Fondation Avenir Madagscar i José mba ho fanohanana ny radio @ fiofanana sy ny fampitaovana.

Miaramiasa @ Radio katolika rehetra izay mivondrona anaty ré-sat eo ambany fitantanan’ny Fivondronam-ben’ny eveka sy tarihan’ny radio don bosco ny Radio Haja. Ary isan’ny radio mandray anjara feno @ fampitam-baovao sy fandaharana iombonana manerana ny Nosy araka nambaran’i Mompera Andriamiandriniranivo Eric Franck tale RDB izay tonga nanome voninahitra ihany koa.

Nambaran’ny Filohan’ny Filankevim-pitantanana Mompera Rakotondramanana Edmond fa tena ilain’ny olona ny radio haja ka niarahaba sy nisaotra ny rehetra izy.

 Indrindra ireo nanohana mavitrika izao hetsika izao dia ny Librairie Catholique sy Centre Culturel et Multimédia Saint Paul Antsirabe sy ny centre d’accueil Diantana.  Teo ihany koa ireo mpanohana tsotra :  Magical Events, Soa Event, ny Caritas Antsirabe, ny Saveur et goût, ny Tsaraviana, ny Gastro pizza 

Fiarahamiasa santatra ireo mba hanatrarana ilay vina ho fanitarana ny radio sy mba hanatanterahana ilay jery satria te ho Haino Aman-Jerin’i Antsirabe araka ny anarana entiny tokoa ity radio ity. Dia izay ilay HAJAn’i Vakinankaratra  raisina amin’ny maridrefy FM 100 Mhz. 

Mandray anjara amin’ny fanohanana ny Radio ny mpihaino rehetra sy ny Fiangonana samihafa ary ny kaomina  eto Vakinankaratra. Ary velompisaorana azy ireo ny ekipan’ny Radio Haja eo ambany fitantanan’ i Mompera Andrialalainarivo Serge Franklin sy Mompera Ramananjatovo Jean Marie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *